ho namanao - princio lyrics
tsy hieritreritra ny hamitaka anao
tsy hiherikerika amin’izao rehetra izao
fa manaiky marina ny ho namanao, ho namanao
ka hahalala onona amin’ny fitiavanao
satria efa vonona hihafy aminao
ka manaiky marina ny ho namanao, ho namanao
ho foana sy hanjavona ny fakampanahy (tan tan ra ra ran tan)
tsy ho sedra olana fa aza manahy (tan tan ra ra ran tan)
tady vita fatomaty tsy mba mety mivaha
tsy ho voahozongozona tsy hirodana intsony
tsy hikorontandrontana tsy ho be lonilony
fa ilay fitiavana no asandratra ambony
tsy ho mora tezitra tsy ho be mokon-doha
mahay mifandefitra mifankato
ka ho lafadafatra tokoa isika roa, isika roa
mahay mifanaraka sy mifankatia
ilay hoe misaraka ho atao sanatria
vonona hiaraka aminao ho doria, ho doria
ho foana sy hanjavona ny fakampanahy
tsy hisy atahorana fa aza manahy
tady vita fatomaty tsy mba mety mivaha
tsy ho voahozongozona tsy hirodana intsony
tsy hikorontandrontana tsy ho be lonilony
fa ilay fitiavana no asandratra ambony
tsy ho voahozongozona tsy hirodana intsony
tsy hikorontandrontana tsy ho be lonilony
fa ilay fitiavana no asandratra ambony
fa ilay fitiavana no asandratra ambony
tsy hieritreritra ny hamitaka anao
tsy hiherikerika amin’izao rehetra izao
fa manaiky marina ny ho namanao, ho namanao
ka hahalala onona amin’ny fitiavanao
satria efa vonona hihafy aminao
ka manaiky marina ny ho namanao, ho namanao
ka manaiky marina ny ho namanao (marina izany marina izany)
ka manaiky marina ny ho namanao
ka manaiky marina ny ho namanao
ka manaiky marina ny ho namanao
ka manaiky marina ny ho namanao
ho namanao
ho namanao
(feat. melky)
Random Song Lyrics :
- yang terlupa - cary lyrics
- essência da vida - lauriete lyrics
- simbolo da paz - ventania.records lyrics
- need a minute - pbgr lyrics
- lunnaya visnya - cinema (russia) lyrics
- お嫁においで2015 - punpee lyrics
- all take - lexi scherr lyrics
- nakusiima - carol nantongo lyrics
- zumbando - carlos tobio & mirito castro lyrics
- satisfied - greg hurley lyrics