
feo roa - nanie lyrics
ho inontsika moa ny andro izay mandalo
raha ny rivotra mifafy no tsy hitondra kalo
hanambatra ny nofy ho tonga hasambarana
ho ankafizintsika ka tsy hisy fitsaharana
ho inontsika moa ny ampitso raha mivazo
raha ho maina dieny izao ireto voninkazo
izay notiavintsika ka lasa namololona
tsara kolokolo ka tsiriritin’olona
fa ianao no amiko izaho no aminao
isika no miaraka mozika tsotra izao
fa tonony sy feo tsy mahay misaraka
na tsiky na tomany no miraraka
mahavelon’aina ny hira izay hiraina
ho inontsika moa ny andron’ny maraina
raha mitampifi hatrany ny kalo izay hiraina
fa ianao no amiko izaho no aminao
isika no miaraka mozika tsotra izao
Random Song Lyrics :
- с юга (from south) - литвиненко (litvinenko) lyrics
- scorpion's sting - converge & chelsea wolfe lyrics
- hands (acoustic) - lagoona bloo lyrics
- i have feelings too you never think of me - cara neir lyrics
- eterno (s. i. d. s. iii) - solitario lyrics
- typical situation - floodwater angel lyrics
- esquinas - dino d’santiago lyrics
- hit me - jackson vincent lyrics
- vueltas en tu mente - tini lyrics
- play your cards right, kid - inlights (rus) lyrics