miverena - amaf lyrics
Loading...
miverena, miverena
o, ry ondry izay mania lasan-davitra e !
nefa anio modia, miverena ry ondry mania
misy toerana tsara voatra
ao an-dapan-dray tsara loatra
izay nomaniny ho vantaninao
raha hiverina hody ianao
mitsahara, mitsahara ry mavesatr’entana ô !
miasa fatratra, tera-dinitra
miady irery amin’ny fiainana
manatona anio, hotrotroiny
ny hazakazakao hosoloiny
fiadanam-po, fiainam-baovao
raha hiverina hody ianao
mifohaza, mifohaza, resin-tory lalina
f’efa tonga izao ny mazava
ora fifohazana
io ny tanany fa mitsotra
izy hitantana anao hizotra
ho eo an-dalam-pahasambarana
hanome fitsaharana
Random Song Lyrics :
- tbt - dom corleo lyrics
- raum ohne licht - cubbie lyrics
- право на ошибку - august lyrics
- hold me in your arms (remastered 2023) - james cotton lyrics
- иллюзия (illusion) - bain228 lyrics
- guardanno 'o mare - claudio villa lyrics
- зима (winter) - ksb muzic lyrics
- summer - a thousand horses lyrics
- sehnsucht - roland kaiser lyrics
- vengador - g3 lyrics