
inona hoy ianao - adeline lyrics
eny hatrizay aho nikorana, niliba nanao hadalana
fifaliana ho ahy izao tontolo izao
raha sendra nisy mba miteny, mananatra ahy ny momba ireny, inona no havaliko hoy ianao?
izao efa lehibe, tsy mila famehezana e!, im-piry ho tanora moa aho e! (in-2)
eny hatrizay aho nikorana, niliba nanao hadalana
fifaliana ho ahy izao tontolo izao
raha sendra nisy toriteny, manazava ahy ny momba ireny,inona no havaliko hoy ianao?
izaho efa mpivavaka e!, tsy mila toriteny re!
izay fantatrao koa fantatro re! (in-2)
kanefa indrisy nahonena, fa hay ny masoko jambena
ankoso-bolamena ihany izao tontolo izao
nanaiky ihany aho tsy noterena, handray lay tena famonjena
inona no tsapako hoy ianao:
ny entako niha maivana e!, ny fiainako voahova re
ny mandrakizay azo antoka!
ny fiainako voahova re, ny entako niha maivana e!
ny mandrakizay azo antoka!
Random Song Lyrics :
- artesianwater - bones lyrics
- red beans & rice - michael franti & spearhead lyrics
- lmk - tjxxy lyrics
- amantes de lo ajeno - la pegatina lyrics
- flaca - los pericos lyrics
- i'm a prophet - teejayflow lyrics
- blind alley - the emotions lyrics
- desengaño - café quijano lyrics
- raise ya cup - pikej lyrics
- desnudo y herido - vagon chicano lyrics